Reniteny

Ny reniteny dia teny azo sarahina amin' ny namany nefa afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany sady tsy natao hilaza ny anjara asan' ny teny hafa koa izy. Ny mifanohitra aminy dia ny zanateny izay teny tsy afaka mahaleo tena sady natao hilazana ny anjara asan'ny reniteny na natao hampifandraisana azy ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Sokajin-teny maromaro no ahitana reniteny, dia ny anarana, ny mpamari-toetra, ny tambinteny, ny matoanteny, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin-tenin'ny reniteny.

Ny mampiavaka ireo teny ao amin' ity vondron-tsokajin-teny ity dia izy ireo maro dia maro, manana halava miovaova, azo foronina, azo soloan' ny mpisolo tena ny sasany aminy.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search